lundi 6 août 2018

Alatsinainy 06 Aogositra 2018 - Tit 3 : 1 - 7

1Ampahatsiarovy ny mpino mba hanaiky ny mpitondra sy ny manampahefana (Ampit Rm 13.1; 1Pt 2.13.), hanoa azy ka ho vonona hanatontosa izay rehetra mety ho asa soa. 2Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadîna, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin'ny olona rehetra. 3Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona. 4Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, 5dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao (Ampit Ef 5.26 sy nta..) 6Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika, 7hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.

Mitondra fanafahana amin'ny herisetra ny mpitarika

1- Mampianatra ny fiangonana ny fitondran-tena kristiana
Taomina ny fìangonana hankato ny manam-pahefana. Omanina ny kristiana ho vonona amin'ny asa tsara amin'nv fiainany andavanandro. Manao ny asa rehetra ho voninahitr' Andriamanitra. Ampianarina ihany koa ny kristiana hiaina amin'nv fiarahamonina : tsy hiteny ratsy olona sy tsy ho mpila ady : ho mpandefitra sy ho malemy fanahy amin'ny olona rehetra. Tarihina ho mpanala ny olona amin'ny fahadalana sy andevozin'ny filàna ary ny fàhafinaretana niaro ny kristiana. Mitondra fiadanana sy fihavanana eo amin'ny fiarahamonina. Manoro sy mampianatra ny mpitarika ny fìangonana ny Apostolv Paoly. hanam-paharetana sy hiandry ny ondrin' Andriamanitra. ka hianatra izany ao amin'i Kristy.

2- Mamonjy ny olona amin'ny famindram-pony ny Tompo
Rehefa tonga amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy ny olombelona vokatry ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina dia ho fòana ny ady sy nv fifandirana ary ny herisetra (and 4). Vokatry ny asan'ny Fanahv Masina, izay miasa ao anatintsika ny asa tsara ataontsika kristiana. Natobaka ho án'ny mino an'i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina, araka ny famindram-pony mba hohamarinina ny olombelona mpanota ka handova ny fiainana mandrakizay. Manome fanantenana ny mpino ny Tompo mba hikatsaka ny fìainana mandrakizay fa tsy ny filàna sy ny fahafinaretan'izao tontolo izao. Omena andraikitra izany ny mpiandry ondrin' Andriamaitra rehetra hitarika ny kristiana hiaina sy hivelona ao amin'ny fahasoavana sy ny famindram-pon'ny Tompo. Izany no lalana omen'ny Tompo sy ny Apostoly ho an'i Titosy tao Kreta (Tit 1,5).

Fanontaniana :
lalana hafa handresena ny herisetra ve isika?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12