mardi 28 août 2018

Talata 28 Aogositra 2018 - Isa 53 : 7 - 10

7Nampahorîna ny Mpanompon'ny Tompo,
nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory,
tahaka ny zanakondry entina hovonoina53.7 Ampit Apôk 5.6.
sy tahaka ny ondrivavy
eo anatrehan'ny manety azy.
Eny, tsy niloa-bava akory izy.
8Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;
ka, tamin'ireo mpiara-belona taminy,
iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy.
Fa nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona izy;
ary ny heloky ny mpiray firenena aminy
no nikapohana azy ho faty53.8 Ny and 7-8 dia voatsiahy ao amin'ny Asa 8.32-33 araka ny dkt tranainy grika.?
9Nokasaina hiray fasana amin'ny olon-dratsy
izany Mpanompon'ny Tompo izany;
kanefa teo anivon'ny mpanankarena no nandevenana azy,
satria tsy nanao ratsy akory izy
ary tsy nisy fitaka teo am-bavany53.9 Ampit 1Pt 2.22..
10Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony
ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana.
Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy,
dia hahita taranaka sy ho ela velona;
ary amin'ny alalan'io mpanompony io rahateo
no hahatanteraka ny sitrapon'ny TOMPO.

Niharan'ny herisetra Ilay Voahosotra

Tafíditra ho anisan'ireo toko milaza ny mombamomba an' llay voahosotr'i Jehovah sy ny fíainany ity mofonainantsika ity. Niharan'ny herisetra Izv mba ho famonjena ny maro ka:

1- Nanaiky ny hitondra fahoriana (and 7)
Mazava kokoa ny herisetra natao tamin'ity Mpanompon'i Jehovah ity rehefa vakiana ny and 4-7. Ny herisetra natao tamin'i Jesoa no nambara mialoha eto satria tanteraka taminy avokoa ny fampahoriana rehetra voalaza eto. Fomba iray nentin'ny Tompo nanohitra ny herisetra natao taminy ny fiharetana sy ny fanetre-tena ary ny fahanginana.

2- Nanaiky ny hohelohina (and 8)
Mahagaga ny valin'ny fitsarana eto. Ny niharan'ny herisetra indray no voaheloka. Fanehoana fankatoavana izany mba hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy nanohitra ny herisetra natao taminy ny Tompo mba ho fankatoavana ny Ray sy ho fìsoloana heloka antsika.

3- Nanaiky ny hovonoina (and 9)
Niafara tamin'ny fahafatesana ny fampijaliana sy ny fampahoriana nihatra tamin'ity Mpanompon'i Jehovah ity. Ny fahafatesan'i Jesoa teo amin'nv hazofijaliana sy ny nandevenana Azy tao am-pasana no porofo manamarina ny fahamarinan'itv faminaniana eto ity.

Fanontaniana :
Mitadiava toko sy andininy hafa miresaka ny momba ity Mpanompon'i Jehovah ity ao amin'ny bokin'i Isaia ihany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12