mercredi 15 août 2018

Alarobia 15 Aogositra 2018 - II Sam 3 : 17 - 29

17Avy eo nifampidinihan'i Abinera ny loholon'i Israely ka nilazany hoe:
–Ela izay nanirianareo an'i Davida ho mpanjakanareo izay. 18Koa tanteraho izany ankehitriny, satria ny TOMPO efa nilaza tamin'i Davida hoe: «Amin'ny alalan'i Davida mpanompoko no hanafahako ny Israely vahoakako amin'ny herin'ny Filistinina sy ny fahavalony rehetra.»

19Niresaka izany tamin'ny Benjaminita koa i Abinera; ary avy eo nankany Hebrôna izy mba hilaza amin'i Davida ny faneken'ny Benjaminita sy ny Israelita hafa3.19 ny faneken'ny Benjaminita dia zava-dehibe satria mifamatotra manokana tamin'ny fianakavian'i Saoly izay Benjaminita rahateo ireo.. 20Dia tonga tany amin'i Davida tao Hebrôna i Abinera niaraka tamin'ny lehilahy roapolo, ka nanaovan'i Davida fanasana. 21Ary hoy i Abinera tamin'i Davida:
–Handeha aho, tompoko, ka hamory ny Israelita rehetra ho eo aminao. Hanao fanekena aminao izy ireo ary dia hanjaka hatraiza hatraiza araka izay sitrakao ianao.

Navelan'i Davida handeha i Abinera, ka lasa soa aman-tsara.

22Taorian'izay dia tonga avy nandranto ady ny mpanompon'i Davida sy i Jôaba, ka nitondra babo maro. Tsy tao amin'i Davida tao Hebrôna intsony i Abinera fa efa navelany handeha soa aman-tsara. 23Raha vantany vao tonga teo i Jôaba sy ny tariny rehetra, dia nisy nampandre an'i Jôaba hoe: «Tonga tao amin'ny mpanjaka i Abinera zanakalahin'i Nera ka navelany handeha soa aman-tsara.» 24Ary nankao amin'ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe:
–Fa inona izany nataonao izany? Tonga teo aminao i Abinera, ka nahoana no navelanao handeha fotsiny? 25Fantatrao tsara anefa i Abinera zanakalahin'i Nera, fa ny hamitaka anao sy hitsikilo izay alehanao ary hahalala izay ataonao rehetra no nahatongavany!

26Dia nivoaka avy tao amin'i Davida i Jôaba ary naniraka olona hanaraka an'i Abinera. Avy teo amin'ny lavaka famorian-drano atao hoe Sirà no nitondran'ireo azy niverina; nefa tsy fantatr'i Davida velively izany. 27Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin'i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin'ny kibony izy ka maty ho valin'ny nahafatesan'i Asahela rahalahiny.

28Rehefa ren'i Davida izany tatỳ aoriana, dia hoy izy hoe:
–Afa-tsiny mandrakizay eo anatrehan'ny TOMPO izaho sy ny fanjakako ny amin'ny nahafatesan'i Abinera zanakalahin'i Nera. 29Hivaly eo an-dohan'i Jôaba sy ny fianakaviany manontolo anie izany, ary tsy ho foana ao amin'ny taranak'i Jôaba koa anie ny olona marary mitsika na marary hoditra sy ny lehilahy kilemaina manao asam-behivavy, ary ny lehilahy matin-tsabatra na tsy ampy sakafo!

Mitsara izay mpamono olona i Davida

1- I Davida mandray ny fahavalony (and 17-23)
Abnera dia mpitari-tafìky ny miaramilan'i Saoly sy Isboseta zananv (and 7-11), izay nanapa-kevitra hanaraka an'i Davida voahosotr'i Jehovah ho mpanjakan'ny Isiraely (I Sam 16,13). Noraisin'i Davida sy nanaovany fihavanana ny mpitari-tafik'i Isboseta. Manafoana ny ady sy ny herisetra ny fihavanana sy ny fanarahana izay nohosoran'i Jehovah ho mpanjaka (and 21). Rehefa tsara nv fihavanan'ny mpitarika dia ho mora nv fitarihana ny vahoaka hanaraka ny voahosotr'i Jehovah. Miavaka tokoa ny olom-boahosotr' Andriamanitra miatrika ny olana sy ny herisetra ao amin'ny fiangonana sy ny fanjakan'i Isiraely. Misoroka ny ady sy ny loza haterany. Fahendrena avy any ambony ny mitia ny olona, eny fa na dia izay mitsangana ho fahavalon'ny tena izao aza.

2- I Davida mpanjaka mitsara ny ísiraely
Mandà ny valifaty i Davida mpanjaka. I Joaba mpitaritafik'i Davida dia tsy nankato ny tenin'i Davida mpanjakany fa niaika hamaly faty an'i Abnera, izay namono ny an'i Asahela rahalahany (jereo 2 Sam 2,23). Mandray ny vahoakany miova sy mandala ny marina i Davida. Mandà ny valifaty ny mpitsara marina. ka tsy namela an'i Abenera hovonoina. Entanin'ny fankahalana. anefa i Joaba ka nahafaty izay efa nihavanan'ny mpanjaka. Tetika famonoana olona ny fiampangana lainga sy fihatsarambelatsihy (and 25 ; 27). Nomelohin'i Davida i Joaba. amin'ny maha mpitsara azy (and 28-29). Tsy manan-keloka amin'izay vono olona sy herisetra izao i Davida, fa mitatao amin'i Joaba sy ny taranany ny loza rehetra eto an-tany (28-29).

Fanontaniana :
Inona no voka-tsoa avy amin'ny fahamarinana ?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12